Rehefa tsy mahazo tany amin’izao fotoana izao dia ho sahirana any aoriana, hoy ny mpanorina ny “agence immobilier Master Immo”, Raphael Rajaonarisoa. Na dia ao anatin’ny krizy aza ny firenena dia miezaka mividy tany ny olona amin’izao. Ho an’ny Master Immo, manamora ny fivarotana sy ny fividianana tany ny orinasa. Na amin’ny fandoavana ny vidin-tany izany na amin’ny fikarakarana ny taratasin-tany. Raha mividy tany ao amin’ny Master Immo ny olona iray dia efa tafiditra ao anatin’ny vidin’ny tany ny fikarakarana ny fahazoana ny titra.
Azo antoka
Mialoha ny hamarotana ny tany, efa manao fanadihadiana lalina momba ny tany an’ilay mpivarotra ny mpahay lalàna ao orinasa Master Immo. Rehefa voamarina fa ara-dalàna tsara ny mombamomba ny tany dia izay vao mivarotra ny tany ny orinasa. Azo antoka ny tany varotan’ny Master Immo ary voafindra ara-dalàna amin’ny mpividy ny tany. Mora kokoa ve izany ny fahazoana titra raha “agence immobilier” no mikarakara ny taratasin-tany eny anivon’ny sampndraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany ?