Rehefa inona no ampiharina ny didy? Efa nahazo alalana hiverina hamboly eo amin’ny Labandy ao Mampikony ireo tantsaha, araka ny didim-pitsarana laharana 360-PCS/22 raha toa ka voarara izy ireo teo aloha noho ny ady tany mampifanolana azy ireo amin’ny Cotona Real Estate, milaza fa tompon’ny tany. Raha ny tantara anefa dia tany misoratra amin’ny mpanjanaka (colon) no niandohan’i Labandy (Lot de colonisation Port Bergé , lot 41). Mirefy 3000 hektara ny velarantany. Niverina namboly ireo tantsaha nanomboka ny volana desambra 2022, tsy nisy nanelingelina. Rehefa nijinja ny vary, naka ny vokatra anefa izy ireo dia voalaza fa nangalatra ireo voly indray ka izany no antony hiantsoana azy ireo eny biraon’ny zandary. Niantso ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany (SIF) ireo tantsaha fa nahazo taratasy fiantsoana. Ny alakamisy 29 jona sy ny 30 jona 2023 no daty voatondro handehanan’izy ireo any. “Ny Cotona Real Estate no mpanenjika ireo tantsaha. Manaitra ny sain’ny fanjakana ny SIF: inona ny vahaolana ho an’ireo tantsaha an’alina? Rehefa inona no ampiharina ny didim-pitsarana? Rehefa inona no tsy ampiharina? ”, hoy i Raparison Eric, mpandrindra nasionalin’ny SIF, nandritra valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny zoma 30 jona 2023. Mbola mamerina ny ahiahy ihany koa ny fiarahamonim-pirenena fa tsy mazava no nahazoan’ny Cotona ny tany satria tsy mbola misy lalana hahazoana tany misoratra amin’ny colon.
Lynda A.