Namoaka mpianatra indray ny oniversite GSI. Mpianatra miisa 150 no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 1 desambra 2023, teny Mahazo. Nisalotra ny anarana « Classe » ireto andiany faha-21 ireto. Ray mpiahy azy ireo i Andrianony Herinirina na i Nini ao amin’ny tarika Kiaka. Nisy tamin’ireo mpianatra no nahazo ny diplaoma DTS, LICENCE. Efa miasa ny ankamaroan’ireto mpianatra ireto. « Araka ny hafatry ny solontenam-panjakana ary manamafy izany aho fa tsy tanjona ny fahazoana diplaoma fa dingana ka mila miakatra hatrany », hoy i Randrianaivo Geremioh, Filoha Tale Jeneralin’ny GSI. Nambarany fa tena ilaina ny fanohizana ny fianarana na dia efa miasa aza ho fampitomboana ny traikefa hananana. Mahafehy sehatr’asa maro ny mpianatra iray mivoaka amin’ny oniversite. « Tamin’ny 2002, tao anaty krizy mavaivay no namoronana ny GSI. Ohatra raisiko fotsiny izao: namorona ny lalam-piofanana Multimédia et communication izahay tamin’izany. Tsy mbola nisy teto tamin’izany io lalam-piofanana natambatra io fa nitokatokana. Sady mahafehy ny asa fanaovan-gazety no mahay manao fanadihadiana lalina, manao production, miakatra plateau milaza vaovao ny mpianatra ato aminay », hoy i hatrany ny Filoha Tale Jeneraly. Ireto avy ny lalam-piofanana azo ratovina ao amin’ny oniversite: « Multimédia et communication » , « management des affaires » , « informatique et gestion » , « batiments et travaux publics » , « droit et relation internationale ». Ny vola janoary 2024 ny fidirana ho an’ny taom-pianarana vaovao.
Lynda A.