Antony faharoa mahatonga ny fahafatesan’ny reny eto Madagasikara ny fanalan-jaza antsokosoko sy amin’ny fomba tsy azo antoka. Tombanana ho vehivavy telo (03) isan’andro no maty vokatr’izany, araka ny fanazavan’ny Marie Stopes Madagasikara. Ho an’ny eto Madagasikara dia maha voasazy, araka ny fehezan-dalàna famaizana andininy faha-317 ny fampitsaharana vohoka na inona antony. Tafiditra ao anatin’izany ny fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (ITG) na fanolanana na firaisana ara-nofo tamin’ny olom-pady… Voafaritra ao anatin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana (DSSR) anefa fa ao anatin’ny zo tokony ho sitrahan’ny vehivavy sy ny tovovavy ny fahazoana fitsaboana momba ny fampitsaharana vohoka voaaro (avortement sécurisé). Manoloana izany, mitaky ny hampidirana ny fampitsaharana vohoka voaaro ho ara-dalàna ny Nifin’Akanga. “Zava-misy eny amin’ny fiarahamonina ny fanalan-jaza fa ny miresaka azy no fady. Manala zaza amin’ny fomba tsy azo antoka ny ankamaroan’ny vehivavy. Ho famonjena aina, ho fiarovana ny zon’ny vehivavy no antony hitakiana ny fanovàna ny lalàna satria manohitohina ny zon’ny vehivavy ny lalàna amin’izao, mamela ny vehivavy ho faty. Tokony ao anatin’ny tolotra momba ny fitsaboana ny fampitsaharana vohoka voaaro ary atao eny anivon’ny toeram-pitsaboana satria zo izany ary manana zo hisitraka tolotra ara-pahasalamana ny olom-pirenena, ao anatin’ny vehivavy”, hoy i Ranavela Kemba, Filohan’ny fikambanana Nifin’Akanga, nandritra ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, nokarakarain’ny sampana Nifin’Akanga Antananarivo, momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana sy ny fampitsaharana vohoka voaaro, ny 9 jolay 2024, teny Ankatso.
Nambarany fa hampihena ny taham-pahafatesan’ny vehivavy ny fampitsaharana vohoka voaaro raha eken’ny lalàna atao ny fanaovana izany ary atao eny amin’ny toeram-pitsaboana sy olona voaofana amin’izany no manao azy. “Tahaka ny any Eraopa (Frantsa, Italie) dia tsapa fa mihena ny taham-pahafatesana ary tsy mitombo ny tahan’ny olona manala zaza”, hoy izy. Nanasa dokotera, rasazy sy mpahay lalàna ny fikambanana tamin’io famelabelaran-kevitra io. Nandray anjara tamin’izany ny mpisolovava Lemainty Princie. Nilaza izy fa samy miaro ny zon’ny vehivavy na ny lalàna iraisam-pirenena na ny lalàm-panorenana malagasy . “Ny fampidirana ny fampitsaharana vohoka voaaro ho amin’ny sehatry ny ara-dalàna kosa dia mety hampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy fisorohana ny fahasarotana ara-pahasalamana”, hoy izy. Marihina fa ao anatin’ny lisitry ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS), nivoaka ny taona 2020, ho isan’ireo tolotra ara-pahasalamana laharam-pamehana ny fanomezana fitsaboana feno momba ny fampitsaharana vohoka. Efa nanasonia ny “protocole de Maputo”, fifanarahana iraisaimm-pirenena ho an’ny Vondrona Afikanina ho fiarovana ny zon’ny vehivavy, i Madagasikara saingy tsy mbola nankato izany. Anisany antony tsy ankatoavany izany ny fisian’ny andininy momba ny fampitsaharana vohoka.
Lynda A.