Vao maika miha marefo ny vehivavy vokatry ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro. Raha i Madagasikara no resahana dia voasokajy ho firenena fahatelo ho marefo indrindra manerana an’izao tontolo izao noho ny fiovan’ny toetrandro. Miseho amin’ny alalan’ny haintany, tsy fahampian’ny rotsakorana, ny tsy fahampian-drano, loza voanjanahary lasa miha mahery vaika toy ny rivo-doza, ny tondran-drano izany. Eo ihany koa ny fahalotoan’ny rivotra sy ny maro tsy voatanisa. Seha-pihariana maro ihany koa no lasibatra, anisan’izany ny fambolena. Voalaza fa tantsaha avokoa ny 80 % ny Malagasy ary foto-piveloman’izy ireo ny fambolena.
Tsy zarizary anefa ny velontenan’izy ireo vokatry ny fiovan’ny toetrandro : mikorontana ny taom-pambolena, tsy ampy ny rotsakorana, simba na miha ratsy ny kalitaon’ny tany, misy aza tsy azo ambolena intsony ny tany satria kaohan’ny riaka ny nofon-tany na lasa karakaina ny tany noho ny tsy fahampian’ny orana. Vokany, mihena ny vokatra nefa mitombo ny fandaniana (zezika,masomboly…) na mitobaka ny vokatra kanefa ambany ny vidiny ary mitarika fatiantoka sy miafara amin’ny fahantran’ny tantsaha izany, araka ny fanazavan’i Hantanirina Lilia, Filohan’ny vehivavy tantsaha eto Madagasikara (FARM).
Tsy vitan’izany fa mbola misy fiantraikany manokana eo amin’ny lahy sy vavy ireo voka-dratsin’ny fiovan’ny toetrandro voalaza ireo, raha ho an’i Afrika, ao anatin’i Madagasikara. Voa mafy kokoa ny vehivavy raha mitaha amin’ny lehilahy noho ny toerana na anjara asa nametrahan’ny fiarahamonina azy ireo sy fahazoan’izy ireo misitraka tombontsoa, ao anatin’izany ny fahazoana tany, ny fanapahan-kevitra, araka tatitra ao amin’ny boky « Gender in Agriculture Sourcebook », niarahan’ny banky iraisam-pirenena, sampandraharahan’ny firenena mikambanan misahana ny fambolena (FAO) ary ny tahirim-bola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (FIDA), ny taona 2008.
Voka-dratsin’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny vehivavy
Manana fifamatorana hafahafa ny fiovan’ny toetrandro sy ny lafiny maha lahy sy ny maha vavy. Etsy andaniny, vao maika mampitombo ny antsana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy, sakana ho an’ny miralenta na fifandanjana eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy sy ny ezaka amin’ny fampihenana ny fahantrana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro. Etsy ankilany, vao maika miha mafy ny fiantraikany ny fiovan’ny toetrandro noho ny tsy fitoviana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy . Hany ka lasa misy samihafa ny fisehon’ny fiantraikany fiovan’ny toetrandro eo amin’ny lahy sy ny vavy noho ny fomba amam-panao raiki-tapisaka ao amin’ilay faritra. Ao anatin’izany ny anjara asa nametrahan’ny fiarahamonina ny lahy sy ny vavy, ny fahafahan’ny tsirairay manapa-kevitra fa indrindra ny fahazoana misitraka tombontsoa toy ny fandovana tany… Ny zava-misy anefa dia mijanona ho marefo foana ny vehivavy vokatr’izany. Mamely ohatra ny haintany any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara. Vao maika miha mafy ny tsy fahampian-drano vokatr’izany. Fomba amam-panao any anefa ny vehivavy no maka rano. Vao maika mitombo ny halaviran-dalàna hakana rano. Rehefa mahazo rano indray dia voafetra ny rano zaka bataina. Mazava ho azy fa voafetra manarak’izany ny fampiasana rano kanefa ankoatra ny fandrahoan-tsakafo, fanasana lamba dia tena ilain’ny vehivavy ny rano amin’ny fidiovana, indrindra rehefa fadim-bolana.
« Vao miresaka fiovan’ny toetrandro sy fitoviana amin’ny maha lahy sy ny maha vavy dia tsy maintsy resahana ao anatiny ny resaka fampandrosoana. Inona fiantraikan’ny harena momba ny toetrandro amin’ny fampandrosoana ny vehivavy sy ny lehilahy », hoy i Randrianarivelo Rolland Maminiaina, manam-pahaizana manokana momba ny fiovan’ny toetrandro.
Ankoatra izany, mbola manampy trotraka amin’ny fiantraikany ny fiovan’ny toetrandro ihany koa ny fomba amam-panao amin’ny faritra maro eto amintsika, anisan’izany ny vehivavy tsy mahazo mandova tany, tsy manana fahefana hanapa-kevitra.
« Mbola ankilabao ny vehivavy any amin’ny faritra Atsinanana. Na ao an-tokatrano aza aty, ny lehilahy matsaka rano na mitoto vary na maka kitay, rehefa lehilahy manao asana vehivavy dia mbola mahamenatr’olona be », hoy i Ramadison Andrianjatovo Tsirimalala, Lehiben’ny tetikasan’ny GSDM, ao amin’ny distrikan’i Vondrozo, faritra Atsimo Atsinanana.
Tahaka ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, tsy mandova ny vehivavy. «Araka ny fomba amam-panao aty dia matetika ny vehivavy tsy mandova tany fa lehilahy no tompon’ny fandovana. 70 % ny vehivavy aty tsy mahazo lova amin’ny ray aman-dreniny izany. Matetika ny fananana iombonana rehefa misaraka izy mivady dia tsy mahazo ny vehivavy, na zara raha mahazo ampahatelony fa lasan’ny lehilahy daholo», hoy i Paulette Gabriel, Filohan’ny fikambanan’ny vehivavy tantsaha (FARM) Atsimo Andrefana. Vokatry ny fiovan’ny toetrandro anefa dia simba ny tany ambolena, tsy ampy ny orana, miovaova ny fotoam-pambolena.
« Voa mafy indrindra ny vehivavy tantsaha aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana, vokatry fikorontanan’ny toetrandro. Miankina amin’ny fambolena anefa ny ankamaroan’ny vehivavy aty », araka ny fanazavan’i Paulette Gabriel.
Lasa tsy mamokatra ny tany hoy izy. Ao anatin’ny taona iray, indray na in-droa no misy ranonorana. Avy ny orana ny volana janoary dia aprily indray vao avy. Vokany, mihena ny fari-piainan’ny vehivavy tantsaha. Nambarany fa tany iombonana, novidian’ny fikambanana no ambolen’ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny FARM. Mamboly any amin’ny tanin’ny vadiny na sombin-tany nomen’ny ray amandreniny ihany koa ny sasany. Amin’ny ankapobeny, tsy misitraka ny tany ny vehivavy tantsaha fa na izy mampiasa ny tanin’ny vadiny na izy mampiasa ny tanin’ny ray aman-dreniny na nomena sombin-tany kely.
« Vokatry ny haintany sy ny rivo-doza mifandimby dia lasa tsy mamokatra ny tany. Kaohan’ny riaka ny nofon-tany mamokatra ka mihamanta ny tany. Lasa mitombo ny mason-karena ampiasaina kanefa alefa mora vidin’ny vokatra, lasa matiantoka. Mbola olana goavana ihany koa raha manofa tany ilay vehivavy. Efa kely ny vokatra kanefa mbola sasahana amin’ny tompon-tany », hoy i Hantanirina Lilia, Filoha nasionalin’ny vehivavy tantsaha eto Madagasikara (FARM).
Mazava ho azy hoy izy fa lasa tsy ampy sakafo ny vehivavy satria ilaina kokoa ny vola dia lasa amidy hatramin’ny sakafo. Misy fotoana tsy misakafo ilay tantsaha. Na te hampianatra ny zanany aza ilay vehivavy dia tsy afaka na misy ny vola andoavana saram-pianarana fa tsy misy sakafo ilay zaza dia mijanona tsy mianatra ihany no iafarany.
Fanampin’izany, mbola mafimafy kokoa ny olana mahazo ny vehivavy vokatra ny fiovan’ny toetrandro noho izy tsy manana fahefana manapa-kevitra. « Any amin’ny faritra Atsimo, raha manambady ny vehivavy dia sahirana izy. Voafehin’ny vadiny izy satria miaraka tompon’ny tany. Rehefa tiany vadiny amidy ny tany na ampambolena olon-kafa na izao no atao fa tsy izany teneninao izany dia lasa tsy manana fanapahan-kevitra ilay vehivavy », hoy hatrany i Hantanirina Lilia nanome ohatra ny tsy fahafahan’ny vehivavy manapa-kevitra noho ny toerana nametrahan’ny fiarahamonina azy.
Manodidina ny 20 % eo ny vehivavy tsy manana tany mihitsy ao amin’ny FARM. Ho an’ireo manana tany indray dia manodidina ny roa (02) na telo (03) ara eo amin’ny ankapobeny fa misy manana hatramin’ny iray hektara. Faritra 10 eto Madagasikara no ahitana ny fikambanana amin’izao fotoana izao: Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Menabe, Matsiatra Ambony, Vatovavy , Atsimo Andrefana, Anosy, Diana sy Boeny . 9500 ny isan’ny mpikambana. Mifototra amin’ny fanatsarana amin’ny fomba maharitra ny fari-piainan’ny vehivavy sy fampirobroboana ny fandraisany andraikitry ny vehivavy eo amin’ny lafiny fampandrosoana sy ny seha-pihariana ny fikambanana.
Teknikam-pambolena mahomby iatrehana ny fiovan’ny toetrandro
Efa manomboka miparitaka tsikelikely eto Madagasikara ny teknikam-pambolena iatrehana ny fiovan’ny toetrandro na ny “agroécologie” (AE). Fitambarana teknika ahafahana miaro ny tontolo iainana, mampiasa ny akora misy eo an-toerana, mampihena ny fampiasana akora simika, mamerina ny tsiron’ny tany kanefa mampiakatra ny tahan’ny vokatra sy mampihena ny fandaniana izy ity. Anisany karazana teknika atao amin’ny AE ny voly rakotra, fampivadiam-boly na fampiarahana ny voly amin’ny zavamaitso manatsara ny tany na miaro amin’ny biby mpanimba voly (ohatra: katsaka sy mucuna), ny famokarana ranon-jezika na kompôsta, ny ala vadim-boly. Matihanina amin’ity fomba fambolena iatrehana ny fiovan’ny toetrandro ity ny GSDM, fikambanan’ireo mpisehatra matihanina amin’ny AE.
Efa ho 20 taona ny fikambanana no nanaparitaka ny fomba fambolena maharitra tamin’ireo tantsaha, tamin’ny faritra maro teto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao, misahana ny fampiofanana ny vehivavy ao amin’ny distrikan’ i Vondrozo, faritra Atsimo Atsinanana, ny fikambanana, amin’ny alalan’ny tetikasa ProSAR (Projet de Sécurité Alimentaire, Nutrition et Renforcement de Résilience ). Mifantoka amin’ny fanatsarana ny fahampian-tsakafo sy otrikaina ho an’ny vehivavy 15 ka hatramin’ny 49 taona sy ankizy ny tetikasa.Vehivavy 15.000 sy ankizy 5.000 no misitraka izany manerana ny distrika telo, Vondrozo, Farafangana, Vangaindrano. Sahan’asa faharoa anatin’ny tetikasa ny fampiofanana vehivavy momba ny teknika ara-pambolena ahafahana mamokatra sakafo maroloko sy be otrikaina ho an’ny tokantrano tsirairay, toy ny voamanga karaoty, ananambo, sésame, legioma…
« Miompana amin’ny agroécologie ny teknikam-pambolena ampianarana azy ireo. Be dia be ny teknika azo atao fa fototry ny agroécologie dia fitandrovana ny fahasalaman’ny tany sy ny vokatra ary tokony hitombo ny vokatra rehetra ara-dalàna ny fampiasana ny tany », hoy i Ramadison Andrianjatovo Tsirimalala, Lehiben’ny tetikasa’ny GSDM, ao Vondrozo.
Na dia vehivavy aza no mpahazo tombontsoa amin’ny tetikasa dia entanina hatrany ny lehilahy, raha manambady ilay vehivavy, hanatrika ny fiofanana satria « fifamenoana ny fanambadiana fa tsy hoe natokana ho an’ny vehivavy ihany na ho an’ny lehilahy ihany », hoy hatrany i Ramadison Andrianjatovo Tsirimalala. Manome fiofanana momba ny « masculinité positive » sy «féminité positive» ihany koa ny tetikasa mba ahafahan’ny lehilahy sy vehivavy mifanampy ao an-tokantrano fa tsy hionona amin’ny anjara toerana napetraky ny fiarahamonina. Nanomboka ny taona 2021 ka hatramin’ny 2025 ny tetikasa ProSAR. Mamatsy vola ny tetikasa ny governemanta alemana, amin’ny GIZ. Eo am-panaovana ny tombana momba ny zava-bita ny tetikasa amin’izao fotoana izao fa raha ny zava-misy any amin’ny faritra hafa iasan’ny GSDM sy nanaparitahan’ny « agroécologie » dia nahazo tombontsoa ireo tantsaha nampihatra izany.
« Telo (03) ka hatramin’ny dimy (05) taonina isaky ny hektara ny voka-bary miakatra tamin’ny fampiasana ny teknikam-pambolena “agroécologie tao amin’ny faritra Vakinankaratra », araka tarehimarika nivoaka nandritra ny atrikasa nanaovana tomban’ezaka ny tetikasa MANITATRA II, ny 29 novambra 2019 tao Antsirabe.
Nambaran’ny solontenan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra nanatrika ny atrikasa fa zara raha mahazo vary iray taonina sy sasany isaky ny hektara raha ny fomba fambolena nentim-paharazana. Nohamafisin’i Lalaina, tantsaha mpitarika, ao amin’ny kaominina Ambohimandroso, fa tena mampihena ny fandaniana ny fampiasana ny agroécologie raha tsy hilaza afa-tsy ny voly rakotra. « Sady tsy miasa ny tany intsony, mihena ny fiavahana. Raha ho ahy manokana, mihena 50% ny fandaniana, miha mavaina ny asam-pambolena rehefa mampiasa ny teknika agroécologie ary rehefa mihamasaka ny tany dia mitombo ny vokatra », hoy izy nandritra ny andro natokana ho an’ny “agroécologie”, ny 20 martsa 2020 tao an-tampon-tanàn’Antsirabe. Kaominina 17 tao amin’ny faritra Vakinankaratra no niasan’ny tetikasa MANITATRA II ny 2018 – 2021.
Ankoatra ny fampiofanana ny tantsaha dia nampidirana tao anaty ny fandaharam-pianarana ny fomba fambolena maharitra. Sekoly miankina amin’ny fanjakana (CEG) sy kolejy tsy miankina miisa 12 no nanaovana izany. An’anarivony ny mpampianatra sy mpianatra ary ray aman-drenin’ny mpianatra no nahazo tombontsoa tamin’izany. Amin’izao fotoana izao, sekoly ambaratonga faharoa (CEG) efatra (04) ao Miarinarivo, faritra Itasy (CEG ao Ambatomanjaka, Mandiavato, Igararana, Antanetimboahangy) no mianatra momba ny fomba fambolena maharitra, noho ny tetikasa ALEFA Agroécologie. Tahaka ny mahazatra dia mampihatra avy hatrany ny lesona, eny amin’ny saha sekoly ny mpianatra. Nigagana tao Igararana nandritra ny fitsidihana ny saha sekoly, ny 27 martsa 2024. Raha tany karakaraina, nahakivy ny teknisianina ny faharatsian’ny kalitaon’ny tany tamin’ny voalohany dia mifanohitra amin’izany ny vokatra azo rehefa nampiharana ny fomba fambolena maharitra.
« Tsara sy nahafapo ny vokatra satria efa nanaovana voly rakotra mucuna ny tany, tamin’ny heritaona. Tsara noho ny tamin’ny taom-pianarana 2022-2023 ny vokatra tamin’ity 2023-2024 ity », hoy i Ravaoarisoa Clarisse, Talen’ny CEG Igararana.
Voly rakotra sy voly vary no nambolen’ity sekoly ity tamin’ny taom-pianarana 2022-2023. Vary akotry iray kilao no nafafy ary namokatra vary 60 kilao. Mbola vary ihany no nambolen’ny mpianatra teo amin’ny saha sekoly, mirefy efatra (04) ara, nandritra ny taom-pianarana 2023-2024. Nampatsiahy i Raharison Tahina, Tale mpanatanteraky ny GSDM, nandritra ny lanonana fanokafana andro natokana ho an’ny « agroécologie » tao amin’ny faritra Itasy ny GSDM, ny 27martsa 2024 fa manana anjara toerana amin’ny ady amin’ny fahantrana, tsy fanajrian-tsakafo, fiovan’ny toetrandro ny « agroécologie » ka mila ampidirina ao anaty politikam-panjakana. Ho an’ny vehivavy tantsaha eto Madagasikara (FARM), efa manome fiofanana ny mpikambana momba ny AE ny fikambanana.
Fananantany sy fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro
Vehivavy no tena miasa betsaka eny an-tsaha ary zareo no tena iantraikan’ny fiovan’ny toetrandro, araka ny tatitra niarahan’ny banky iraisam-pirenena, ny FAO ary ny FIDA, ny taona 2008. Noho ny fomba amam-panao any amin’ny faritra maro eto Madagasikara dia vao maika voa mafy ny vehivavy. « Manome lanja na vahana kokoa ny lehilahy ny kolontsaina ka latsaka ambany ny zon’ny vehivavy amin’ny resaka fananantany », hoy i Soavinalahatra Nasolo Harijery nanazava fifandraisan’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny lafiny maha lahy sy maha vavy ary ny fananantany. Nambaran’ity tomponandraikitra ao amin’ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany (SIF) ity fa mitovy zo daholo ny lehilahy sy vehivavy, raha ny lalàna momba ny fananantany fa tokony misy fanomezana tombony ho an’ny vehivavy kosa noho zareo sokajiana ho marefo vokatry ny fiovan’ny toetrandro. Nilaza izy fa ao anatin’ny politikan’ny fananantany ny fanamorana ny fahazoana tany ary teboka lehibe ao anatin’izany ny fametrahana faritra manokana ho fampandrosoana ny eny ifotony. « Afaka atao ny fametrahana toerana natokana ho an’ny vehivavy », hoy izy manome sosokevitra mba ahafahan’ny vehivavy miatrika ny fiovan’ny toetrandro. Ho an’ny fikambanan’ny vehivavy tantsaha eto Madagasikara (FARM), an-dalam-pangatahana tanim-panjakana ny fikambanana ho fanamorana ny fahazoana tany ho an’ny vehivavy tantsaha, araka ny fanazavan’i Hantanirina Lilia, Filoha nasionaly. Tetikasa andrana voalohany ny fangatahana tanim-panjakana mirefy 26 hektara ao Fiaferana, Distrikan’Avarandrano. Ho tsinjaraina ireo mpikambana manodidina kaominina sy ny distrika aloha izany. Mirona bebe kokoa amin’ny fanentanana ny manam-pahefana eny ifotony ihany koa ny tetikasa ProSAR ho fanamorana ny fahazoan’ny vehivavy tany. « Efa misy manolotra tany ho ampiasain’ny vehivavy any », hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa ao Vondrozo. Singa iray tokony ampidirina ao anatin’ny tetikasa fiatrehana ny fiantraikan’ ny fiovan’ny toetrandro noho izany ny fampihenana ny elanelana na fametrahana ny fifandanjana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy.
Lynda A.