Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Patriarkan’ny Aleksandria sy Afrika manontolo Thédore II. Fanindroany amin’izao ny fandalovan’ity patriarkan’ny fiangonana Ortodoksa ity eto Madagasikara. « Firenena lehibe i Madagasikara ary manana ny maha izay azy », hoy izy. Te hitondra sy hanampy ny vahoaka Malagasy indrindra fa ny zaza madinika ny fiangonana. Anisan’ny antony fitsidihany eto izany. Mandritra ny fivahinianany ihany koa dia hotokanana avokoa ireo fotodrafitrasa vitan’ny arsidiosezin’i Madagasikara toy ny trano fitaizana zaza kamboty eny Andoharanofotsy, ny hopitaly any Toliara, ny Oniversite any Manakara,…. Ankoatra ny fizarana ny « vaovao mahafaly na ny fitoriana ny evanjely, miompana bebe kokoa amin’ny fanasoavana ny vahoaka ny fiangonana Ortodoksa. Porofon’izany, ny fiahiana ireo beantitra eny Alasora izay foiben’ny arsidiosezy eto Madagasikara, ny fanomezana ronon ho an’ireo zaza miisa 800 isan’andro,… Tsy manosi-boan-tanana ireo tonga mangataka fanampiana ihany koa ny fiangonana. « Manampy araka izay tratry ny herinay izahay », hoy ny Mon Seigneur Ignatios.
Lynda A.
Sandrine Ly Bernarson liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.