Mbola maro ireo foto-drafitra asa tokony haorina any Soaniadanana, toerana hanatanterahana ny tetikasa « exode urbain ». Nahazo famatsiana 16 tapitrisa Ariary tany amin’ny » électricité sans frontière » ny fikambanana Hafari Malagasy. Hampidirana herinaratra any an-toerana io vola io. Andrin-jiro miisa 40 no vinavinaina hanaparitahana ny jiro.
Nangataka fihaonana tao amin’ny masoivohon’ny « Algerie » ihany koa ny ity fiarahamonim-pirenena ity hampiroboroboana ny tetikasa, toy ny sekoly, hopitaly,toerana ho an’ny zandarmaria,…
Mponina tsy nanan-kialofana teto an-drenivohitra no ankamaroan’ireo nafindra tany Soaniadanana. Ny Hafari no nandray an-tanana azy ireo. Manampy azy ireo hiala amin’ny fahantrana no tanjon’ny fikambanana amin’ity tetikasa ity ka efa miaina tahaka ny olon-drehetra amin’izao fotoana izao izy ireo. Ny fambolena sy ny fiompiana no tena foto-piveloman’izy ireo raha ny nambaran’ny filohan’ny Hafari, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Miezaka mitady fiaraha-miasa hatrany ny fikambanana hirosoana bebe kokoa any amin’ny fampivoarana ny sosialim-bahoaka.
Lynda A.
Mirado Jean Léonie liked this on Facebook.
Rover Mir liked this on Facebook.
Loruse Fani liked this on Facebook.
Ayna Rabearisoa liked this on Facebook.
Nadine Ramaroson Alain Rajaonarivony liked this on Facebook.
Iharilala Solange Nirina liked this on Facebook.
Frederic Tsimanary liked this on Facebook.