Nitokona avokoa ireo mpiasa rehetra ao amin’ny orinasa mpamokatra entana vita amin’ ny plastika Vitaplast etsy Anosizato. Naneho ny tsy fahafaliam-pony izy ireo mahakasika ny didim-panjakana mandrara ny fampiasana harona plastika izay ampiharina manomboka amin’ ny volana oktobra ho avy izao.
Mangataka ny fanemorana io daty io ireo mpiasa miisa 800 ao amin’ ity orinasa ity ary mitady marimaritra iraisana amin’ ny fanjakana. “ Ho very asa avokoa izahay raha mihatra io didy, aiza indray izahay no ahita asa.”, hoy ny solontenan’ ireo mpiasa. Tandindomin-doza ireo miasa amin’ ireny orinasa mpanodina vokatra vita amin’ ny akora plastika ireny satria hijanona hatreo ny famokarana raha toa ka ampiharina io didim-panjakana io.
Tsy izy ireo ihany no iajadian’ ny olana fa anisany iantefany ihany koa mpivarotra ireo vokatra . Noho izany, tsy manaiky ny fanafoanana ny fampiasana fonosana plastika izy ireo ka mangataka amin’ny fitondram-panjakana hitady vahaolana mifanaraka amin’ izany, hoy hatrany ny solontenan’ ireo mpiasa.
Lynda A.
Andry Fanumezantsu liked this on Facebook.
tsika malagasy de tsy manaiky fona, ninoninona fampandrosona sy olan entina de « tsy manaiky » de mgrev fon, ndraindray ko nge mb manaik lamina e
zay manaiky mitsy fa sady mandoto tanana no ratsy hoany tontonlo hianana, samiy mitondra arona fotsiny any anaty kitapony any d vita
Mitadiava hevitra ary mikasika io fahasinbana be @zao io e.
Nosy maintso, Nosy mena ary izao efa lasa Nosy plastika ilay Gasikara, ka sady mahantra no voretra! izahay dia mankato an’io didimpanjakana io!
Inona ihany moa ity totolo iainana ty ? Epsilonne daholo zany,nino2 atao samy maniba daholo,fa mahaiza mandamina fotsiny dia ho lava andro hiainana tsika.
Rariny kosa ireo mpiasa ‘reo raha migrevy satria ny Foto-pivelomany no voatohitohina, ny fanjakana no tokony handray ny fepetra mifanaraka @ ‘lay lalàna navoaka, fa tsy hoe ampiharina be fahatany fotsiny. Dé inona ary zao no ataon’ireo olona ireo raha tsy miasa eo izy?
Mbola olana eto amintsika mihitsy io fampiharana lalàna io,
Andriamanarivo Patrick Harivonjy liked this on Facebook.
Fisherman Tang liked this on Facebook.