Sahirana tokoa ny mpianatra ao amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa ao amin’ny kaominina Talatamaty noho ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana. Mifaneritery tokoa mantsy rehetra mianatra. Efitrano dimy fotsiny ho an’ny mpianatra miisa 392. Ka misy ny tetikasa iarahan’ny kaominina sy ny Masoivoho Japoney izay hanamboarana efitrano 4 miampy ireo fitaovana ilaina toy ny dabilio, solaitra be,… trano fivoahana 4 ho fanampiana ny Lycée Talatamaty.
Notanterahina ny alakamisy 24 Martsa teo ny fifanaovan-tsonia mpiaraha-miasa amin’ny roa tonta teny amin’ny Lycée ihany. “ Fanomezana foto-drafitra asa fototra io fanampian’ny Masoivoho io ”, araka ny fanazavan’ny Proviseur, Michelle Voahirana RAHARINDRATOSOA.
Nambarany fa vinavinaina ao anatin’ny enim-bolana ny famitana ireo foto-drafitra asa ireo ary amin’ny voalohany volana Aprily no anombohana izany. Ankoatra izany, manodidina ny 70.000 Euros eo ny fitambaran’ny vola ho laniana amin’ny fanamboarana.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Jessica Kaïra Rakotomalala liked this on Facebook.
Horthencia Mihaja liked this on Facebook.