“Aman-tapitrisa ny harena voajanahary mivoaka eto amintsika isan-taona. Mbola latsaka an-katerena foana anefa ny firenena. Etsy ankilany, ny 99% entina hampandrosoana an’i Madagasikara dia trosa avokoa”,hoy Pety RAKOTONIAINA.
Raha manatanteraka ny fampanantenana nataon’ny tamin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena ary mahita vokatra ny vahoaka dia tsy hisy mihitsy ny fanonganam-panjakana. Noho izany, matoa ny misy ny hetsika fidinana an-dalam-be, fanehoan-kevitra be dia be ireny, tokony ho tonga saina sy handray fanapaha-kevitra ny Filohan’ny Repoblika, Hery RAJAONARIMAMPIANINA manoloana izany. Nambarany fa tokony hiroso amin’ny fifampidihana nasionaly ny firenena. Henoina avokoa ny hevitry ny hery velona rehetra sy ny vahoaka mba hanarenana an’i Madagasikara.
Tsy sarotra ny mampandroso an’ity firenena ity fa ny mpitondra no manasarotra azy, hoy hatrany i Pety RAKOTONIAINA, Filohan’ny Antoko Tambatra.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Fenosaotra Germain liked this on Facebook.
Mickael Randriamanjato liked this on Facebook.
Joro Parson liked this on Facebook.
Harena Mamiratra Fiharintsoa Samantha liked this on Facebook.