Noho izaho nahazo mari-boninahitra nasionaly sa nahavory vahoaka be teny amin’ny kianja an’Antsonjombe ve no mahatonga ny olona hanasoketa ahy fa hanongam-panjakana? Sa matahotra ny filatsahako amin’ny fifidianana 2018 dia miezaka mitady fanaratsiana? Nanambara anefa i Pasteur Mailhol fa diso ny filazana fa mikononkonana fanonganam-panjakana ny tenany . Niparitaka tany amin’ny tambajotran-tserasera facebook , ny talata 27 desambra 2016 teo mantsy fa hanao izany ity mpitarika ny fivavahana Apokalipsy ity, miaraka amin’ny manam-boninahitra maro sy ny Filohan’ny tetezamita teo aloha.
“Hatramin’izay, tsy namaly ireny fanaratsiana natao ahy ireny aho fa ankehitriny kosa miantraika hatrany amin’ny fiangonana ny raharaha ka tsy maintsy miteny ny tenako”, hoy i Pasteur Mailhol.
Nohamafisiny tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety androany fa tsy hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena izy amin’ny taona 2018.