Fepetra takian’ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola ny fampiharana ny demokrasia, ny tany tan-dalana, ny fanajana ny zon’olombelona ary ny fanafoanana ny kolikoly. Ireo no tanteraka dia ho tonga ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay mari-bola folo miliara dolara nampanantenain’izy ireo. Mifanohitra amin’izany anefa no mitranga satria toa tsy ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny ho vain-dohan-draharahan’ny fanatanterahana ireo fepetra ireo. “Ny fanovana governemanta indray no imasoany”, hoy ny DFP.
Etsy ankilany, te hiroso any amin’ny financement parrallele ny fitondrana. Any no misy lalana ahafahana mameno paosy satria tsy mandalo eny amin’ny Antenimiera anankiroa ny fampiasana ny vola azo.
Manohitra izany tanteraka anefa ny vovonana mitaky ny fanovana ny fitantanana ny firenena. Ny fahazoana ny folo miliara no tokony imasoana. Nanamafy ny DFP fa amin’ny alalan’ny dinika ihany no hamaritana ny fandaharana asa mifanaraka amin’ny fanorenana an’i Madagasikara.