Tonga teto Antananarivo avokoa ireo solontenan’ny mpiasan’ny Ministeran’ny jono sy ny fiompiana anaty rano avy any amin’ny faritra 22. Niara-nitotorebika noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2017 izy ireo omaly. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana satria mpanakanto maro toy an’i Stephanie, Black Nadia…no nasaina nanafana ny lanonana. Teo ihany koa ry “Orchestre Pap’s” ary Francis Turbo kosa ny mpanentana.
Ankoatra izany, nianoka fety feno fifaliana ny mpiasan’ny Ministera tamin’ny alalan’ny sakafo “special fruit de mer” nokarakarain’ny “service traiteur” Manda Sea Food. Mpiara-miasa akaiky amin’ny ministera ity farany satria anisan’ireo orinasa mpanondrana hazandranomasina any ivelany sady mpamatsy eto amin’ny tsena anatiny.
Nitondra fiovana sy fandrosoana ho an’ny sehatry ny jono ny taona 2016. Tetikasa fanatsarana ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano maro no vita. Anisan’izany ny fananganana foto-drafitra asa toy ny “chambre froide”. Na dia teo aza ny fanampian’ireo mpiara-miombon’antoka niara-niasa tamin’ny Ministera, tsy tontosa ny tetika asa rehetra nokasaina raha tsy teo ny fandraisana andraikitry ny mpiasa. “Izany indrindra no antony izao fety izao mba hankasitrahana azy ireo”, hoy ny Ministra Gilbert François.