Distrika ao anatin’ny faritra Diana no misy an’Ambilobe. Manan-karena valan-javaboahary ihany koa izy toy ny faritra arovana Ankarana, montagne d’Ambre… Amin’ny maha toeram-pizahan-tany azy, betsaka ireo trano fandraisam-bahiny hita any an-toerana. Anisan’izany ny Hotel Restaurant Diana.
17 taona niasana teo amin’ny sehatry fandraisam-bahiny sy fikarakarana sakafo ny Hotel Restaurant Diana. Manana efitrano malalaka, mahazaka olona hatramin’ny 250, azo hanaovana lanonana toy ny mariage, anniversaire na ihany koa fety maro samihafa ny restaurant . Ny sakafo amin’ny fomba fahandro eropeanina, sinoa ary Malagasy no tena manavanana azy.
Ho an’ireo mpikarakara fivoriana isan-karazany, afaka mampiantrano izany ny restaurant Diana.
Ankoatra izany, efitrano fandraisam-bahiny sy bungalow maro no tolotra hafa omen’ny Hotel Diana an’ireo mpitsidika an’Ambilobe.
Natao ho zakan’ny rehetra tokoa raha ny hofany satria manomboka amin’ny 17.000 Ariary. Olana amin’izao fotoana izao ny resaka fahatapahan-jiro kanefa mandeha foana ny jiro raha ho an’ny Hotel satria mampiasa “groupe électrogène”.
Anisany toerana mafana iny faritra iny ka ahitana cilamatiseur sy ventillateur avokoa ny efitrano rehetra ary afaka migalabona amin’ny rano ihany koa ireo mpanjifa.
Ho anao olon-tsotra na fianakaviana manam-paniriana hitsidika an’Ambilobe, ho an’ireo mpikarakara lanonana na fivoriana, afaka handray anao ny Hotel Restaurant Diana.
Mialoha ny hidirana ny kaominina ambonivohitra Ambilobe no misy azy, ao amin’ny fokontany Laidama.
Fanazavana fanampiny, antsoy ny laharana 032 43 055 33 na 032 66 437 24.
Mailaka: diana-hotel@yahoo.fr
Tranokala: www.hotel-diana-mahavavy.net