Raha ny fenitra iraisam-pirenena, ny mpitsara, mpisolovava ary ny mpahay ankatoavin’ny fitsarana (expert judiciaire) no toko telo mahamasa-nahandro ny fitsarana. Mbola tsy tena fantatry ny vahoaka Malagasy anefa ny asan’ilay toko farany dia ny “expert judiciaire” na dia efa 58 taona nisiana teto Madagasikara aza. Manana andraikitra hanazava ara-teknika sy siantifika ny raharaha tsaraina ny mpahay ankatoavin’ny fitsarana.“Mpitsilo lalana ny mpitsara amin’ny raharaha iray no asa sahanin’ny mpahay ankatoavin’ny fitsarana. Raha misy raharaha mampisalasala ny mpitsara dia miantso ny “expert judiciaire” mifanandrify amin’ny sehatra tsaraina izy ”, hoy ny Filohan’ny CAREA na “Compagnie des arbitres rapporteurs et experts agrées près les cours et tribunaux de Madagascar”, Bernard RASOLOFO. 50 eo no isan’izy ireo amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Nitombo telo indray izany satria nantsoina hanampy ny fitsarana amin’ny lafiny “informatique”, “comptabilité” ary serasera sy ny asa fanaovan-gazety izy ireo. Anisany voaray tamin’ny toeran’ny mpahay ankatoavin’ny ny fitsarana momban’ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety ny mpanao gazety Razaka Oliva.
Dingana maro no nolalovany vao tonga amin’izao toerana izao. Tsy maintsy manana traikefa 20 taona no mihoatra amin’ny sehatra iray, diplaoma BACC+5…vao afaka antsoina hoe: “expert judiciaire”.
Ny zoma faha-31 martsa 2017 no notanterahina ny fotoam-pitsarana amin’ny fomba manetriketrika nandraisana ny fianianan’izy telo mirahalahy.
Marihina fa miasa mahaleo tena izy ireo.