Manoloana ny filazam-baovao tamina gazety mpiseho isan’andro sy tamin’ny televiziona, nitsipaka an-kitsirano ny filazan’ny fikambanana iray fa nidina nandraoka ny mponina tao amin’ny fokontany Volobe ny Lehiben’ny Distrika Toamasina II, Andry RAZAFINDRAKOTO sy ny Solombavambahoaka voafidy teto Toamasina II, Rohilahy Jaolahy. Marina fa nisy ny fidinana natao tany amin’ny kaominina Ambodilazana ny 07 aprily 2017 fa tsy ireo anarana voalaza ireo velively no nandeha tany. Nambaran’ilay fikambanana fa nandraoka ny mponina tao amin’ny fokontany Volobe izy roa lahy ireto satria nahitana “chrome” ny faritra misy azy ireo ka ho trandrahana.
Nanamafy ny Talem-paritry ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany eto amin’ny faritra Atsinanana, AMABLE André Benjamin fa tsy nandeha tany amin’ny kaominina Ambodilazana izy roa lahy ireo fa ny Filohan’ny vaomieran’ny Harena an-kibon’ny tany no nanao fitsidihana tao amin’ny fokontany Lomboka izay misy ny “chrome” fa tsy tao Volobe izany.
Nambarany fa an’ny orinasam-panjakana CHROMA ny faritra Lomboka izay hananany taratasy fahazoan-dalana mikaroka (permis de recherché) “chrome” no mbola hananany hatramin’izao fa tsy mbola fahazoan-dalana mitrandraka.