Ifampitadiavana eo amin’ny tsenan’ny asa ireo manana diplaoma momban’ny fitantanana ny tontolo iainana. Lalam-piofanana mampianatra ny fikajiana ny tontolo iainana rehefa misy tetikasa iray izy ity. Ohatra amin’izany ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany izay miroborobo fatratra eto Madagasikara. Mialoha ny fitrandrahana dia tsy maintsy mila manam-pahaizana momban’ny tontolo iainana ny tompon’ny tetikasa mba hiarovana ireo zava-maniry sy biby na hafa manodidina ny toerana hitrandrahana. Anisany mampiofana ireo mpianatra liana amin’ity asa ity ny ivom-pampianarana ambony ISGIE na « Institut Supérieur de Géologie de l’Ingénieur et de l’Environnement ».
Ny 31 may 2017 ny fidirana manaraka ho an’ny taona voalohany. Eny amin’ny biraon’ny ISGIE Ankadivato ny toerana fisoratana anarana.
Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny ISGIE, Fidiniavo RAVOKATRA fa mampiavaka ny sekoly ny fanomezana “stage” ho an’ny mpianatra isaky ny mifarana ny taom-pianarana.