Anisany firenena ao anatin’ny 55 mpikambana ao amin’ny Vondrona Afrikana i Madagasikara. Feno 54 taona ity Vondrona ity. Tanjona irasian’ireo firenena mpikambana ireo ny fampandraisana ny andraikitra ny tanora ho fampandrosoana ny firenena. Ao anatin’izany ny fampanan’asa azy ireo.
Lohahevitra noraisina ho fanamarihana ny fankalazana ny andron’ny Afrika izay tontosaina isaky ny 25 may io tanjona io. Nambaran’ny Praiminisitra Solonandrasana Olivier MAHAFALY fa fanamafisana ny fahaizan’ny tanora amin’ny alalan’ny fampiofanana ho azy ireo mifanaraka amin’ny tsenan’asa no paika ho entina hampiharana izany.
Ho fanamarihana ny andro ho an’i Afrika, nanatanteraka lanonana ny Biraon’ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara niaraka tamin’ireo manam-pahefana teto an-toerana ny 19 May 2017.