Na dia efa mizotra amin’ny fifampiresahana amin’ny tomponandraikitry ny Ministera mpiahy sy eny anivon’ny fifampidinihana aza ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, mbola miato ny fampianarana raha ho an’Antananarivo manokana. Nambaran’ny Filohan’ny SECES sampana Antananarivo, Sammy Georges RAVELONARIVO fa efa eo am-pikaroham-bahaolana ny tomponandraikim-panjakana mahefa manoloana ny fitakian’ny sendika. Na dia eo aza izany, mbola mihatra ny fampiatoana vonjimaika ny fampianarana.
“Tsy fitiavana te hampikatso ny fampianarana no anton’izany fanapaha-kevitra izany fa fangatahana ny fampiharana ny lalana izay nanome toky ny fanantanterahana ny fitakian’ny sendika”, hoy hatrany ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo.
Nampitaina tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny sendika sampana Antananarivo izany omaly faha-30 May 2017. Tao anatin’io fivoriana io ihany koa no nanangonana ny hevitra ho entin’ny sendika hiatrehana ny filan-kevitra Nasionaly izay ho tontosaina ny alakamisy 01 jona 2017.