Mandray anjara amin’ny Salon de la rentrée universitaire, eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny Institut Supérieur de Polytechnique de Madagascar (ISPM). Hatramin’ny fanombohan’ny hetsika omaly, 31 aogositra 2017, mahaliana ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea ny lalam-piofanana momba ny teknolojia toy ny serasera, ny fifandraisan-davitra…
Araka ny fanazavan-dRamatoa Aimée RAZAFINDRAHETY, Talen’ny fitantanana sy ny vola an’ny ISPM fa mahasarika ny mpianatra amin’izao fotoana izao ny fivoaran’ny teknolojia. Na dia eo aza izany, misy ireo mpianatra te handranitra ny fahaizany eo amin’ny sehatry ny « industrie chimie et minière », « biotechnologie »…
Lalam-piofanana maro voazarazara ao anatin’ny departemanta dimy no azo isafidianana raha te hanohy ny fianarana ambaratonga ambony ao amin’ny ISPM.
Marihina fa hifarana androany 01 septambra 2017 ny hetsika.