Manatevin-daharana ny fangatahan’ny solombavambahoaka ho an’ny fanovana ny Antoko Politika Madio (APM). Nandritra ny fanambarana nataon’ny birao nasionalin’ny antoko, omaly 26 aprily 2018, mangataka ny hialan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tsy misy hatak’andro ny APM. “Efa tamin’ny 6 may 2016 izahay no nangataka ny fialan’ny filohan’ny repoblika ankehitriny. Raha nihaino ny fangatahinay ianao Andriamatoa filoha, tsy nisy rà mandriaka sy korontana hoatran’ny zava-nitranga tamin’ny sabotsy 21 aprily 2018”, hoy ny filoha mpanorina ny APM, Faniry Alban Rakotoarisoa.
Ankoatra izany, miantso ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) ny Antoko Politika Madio tsy hankatoa ny lalàm-pifidianana lanin’ny solombavambahoaka 79 farany teo. Mitaky ny famerenana ny fandinihana io lalàna io an-databatra boribory ny APM. Nanamafy ny antoko fa tsy handray anjara amin’ny governemanta hiaraha-mitantana raha misy izany. Tsy hanolotra kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany koa ny antoko. Manana kandida kosa izy amin’ny fifidianana ben’ny Tanana. Hifaninana amin’ireo kandida ho fidiana ho ben’ny Tanana an’Antananarivo renivohitra ny kandida hatolotry ny antoko.
Lynda A.