Nanome fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny rivo-doza ENAWO indray ireo orinasa fitaterana an’habakabaka na avy eto an-toerana na avy any ivelany. “Sakafo, fitafiana, lamba firakotra sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro mitentim-bidy eo amin’ny 180 tapitrisa Ariary ny fitambaran’ny fanampiana voaangon’ny komity misahana ny fanampiana an’ireo traboina. Natolotra ny BNGRC omaly faha-21 martsa 2017 teny amin’ny foiben’ny ACM ireo tolo-tanana ireo. Nambaran’ny Mpandrindra ny komity, Aubry REDIA fa samy namaly ny antso avokoa ireo orinasam- pitaterana an’habakabaka avy any ivelany. Manodidina ny 114 tapitrisa Ariary totalin’ny fanampiana nomen’izy ireo ary 66 tapitrisa kosa ny an’ny Malagasy. Anisany nandray anjara tamin’izany ry zareo Corsair sy ny Air Austral.
Hetsika faharoa tolo-tanana ho an’ny traboina noho i ENAWO ny hetsika nataon’ireo orinasa fitaterana an’habakabaka ireo. “Mbola hisy ny fanampiana avy amin’ireo orinasa vahiny hafa, ho avy amin’ny herinandro ambony”, hoy ny Tale Jeneralin’ny ACM, James ANDRIANALISOA.