« Sao mba diso isika », hoy ny mpandrindra nasionalin’ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (SIF), Raparison Eric, nandritra valan-dresaka ho an’ny mpanao nitondrana fanazavana momba ny fandravana trano teny Ambohipotsy, kaominina Ambohimangakely. Trano 50 no noravana ny 25 Aprily 2023 satria voalaza fa tanin’ny fiangonana kalolika ny tany nanorenan’ireo olona voakasiky ny fandravana. Rehefa nanao fikarohana ny SIF dia titra roa samy hafa no hita momba ity ady tany ity. Nambaran’i Raparison Eric fa araka ny « certificat de situation juridique » dia ny titra laharana 1809 izay nisoratra tamin’ny fanjakana frantsay no niandohan’ny tanin’ny fiangonana katolika – Manankasina III –titra laharana 4.041-BAV – mirefy 27 Ha 51A 90Ca. Raha ny tantara dia niova ho 977 – B tamin’ny 05 oktobra 1948 ny titra 1809 niforona ny 18 febroary 1903. Farany, lasa titra laharana 4.041-BAV izany ny 19 desambra 2011. « Ny sarintany nampiasaina nandravana trano anefa dia titra 1802 no misoratra ao (Ex-titre 1802 – TN°977-B –TN° 4041-BAV) », hoy ny mpandrindra nasionalin’ny SIF. Rehefa nangataka ny saritany mitondra ny titra laharana 1802 teny amin’ny sampandraharahan’ny fananantany sy fandrefesantany ny SIF dia lazaina fa tsy hita. Mbola manamafy ny fangatahana ity vovonana ity ny hisian’ny fifampiresahana momba io ady tany io.
Didim-pitsarana nefa tsy ampiharina
Mametra-panontaniana ihany koa ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany fa maninona rehefa any amin’ny toeran-kafa dia ampiharina ny didim-pitsarana fa rehefa any amin’ny hafa dia tsy ampiharina tahaka ny zava-misy any Mampikony. Efa im-betsaka no nanaovan’ny fikambanana antso fanairana io ady tany mampifanolana ny fokonolona mamboly amin’ny tany misoratra amin’ny mpanjanantany taloha sy ny orinasa Cotona Real Estate milaza fa tompon’ny tany ao Mampikony io. Voarara tsy mahazo mamboly ireo fokonolona nanajary ny tany efa am-polo taonany maro. Rehefa nitohy ny raharaha teny amin’ny fitsarana nivoaka indray ny didy mamela ireo fokonolona hamboly ao amin’ny tany ho fitandroana ny filaminana. Rehefa namboly indray ny fokonolona ary efa hiakatra ny vokabary dia misy mandrara indray izy ireo hijinja ny vary. «Efa nisy n’y fandrarana ireo mpamboly tsy hijinja ny vary talohan’izao fandrarana manaraka izao. Manodidina 5.000 taonina ny vary vokatra raha vinavina tamin’izany,araka ny fitantaran’ny solontenan’ny fokonolona. Rehefa afaka namboly indray ny fokonolona dia mandeha ny feo fa ho gadraina ireo mpitarika azy ireo raha misy minia maka ny vary. Sanatria ve natao hibodoana ireo vary indray izany fampitahorana izany? », hoy hatrany Raparison Eric.
Fandravana tsena ao Ambohitrarivo
Anisan’ireo tranga ady tany noresahan’ny SIF ihany koa ny raharaha mampifanolana mpivarotra, manana tsena miorina eo ambony trottoir sy tompona trano fitahirizim-bokatra ao Ambohitrarivo Amparafaravola. Nangataka teny amin’ny fitsarana ny tompona trano fitahirizim-bokatra ny handravana ireo tsena miorina eo ambony trottoir. Nivoaka ny didim-pitsarana ary nandresy ny mpitory ka ho ravana ireo tsena am-polony. Marina hoy i Raparison Eric fa tanim-panjakana misy foto-drafitr’asa ho an’ny tombontsoam-bahoaka ny trottoir nanorenana tsena saingy efa ho 38 taona ireo mpivarotra no nahazo alalana hivarotra eo. Taty aoriana vao niorina ny trano fitahirizam-bokatra izay ao an-damosin’ny tsena ary tsy manelingelina azy ireo ny mpivarotra satria tamboho no manasaraka azy ireo. Ny mampalahelo hoy izy dia mihevitra ilay tompona trano fitahirizim-bokatra fa azy ny trottoir rehefa nandresy teny amin’ny fitsarana izy. «Sao mba tokony hiverina amin’ny teniny ny fitsarana satria ny tsy anjaran’ny fitsarana no manome tany» hoy izy. Ireo tranga telo ireo no noresahin’ny SIF saingy betsaka lavitra noho ireo ny zava-misy any ambadika any izay mahatonga fanitsakitsahana ny zon’olombelona.
Lynda A.