ADY TANY: Ny mpiray monina amin’ireo fianakaviana ihany no namadika azy ireo.

Raharaha mbola mandeha eny amin’ny tribonaly, efa misoratra ara-dalana sahady, amin’ny mpiara-mipetraka amin’ireo tokantrano dimy, ny tany eny amin’ny fokontany 3L, Soanierana. Ireto fianakaviana nanamainty molaly nandritra ny efa-polo taona indray no voaraoka. Androany 04 septambra 2017, tamin’ny dimy ora maraina, mpitandro filaminana maro niaraka tamin’ny “huissier” no nanao antsojay an’izy ireo fa tsy maintsy miala amin’ny trano sy ny tany tsy misy hatak’andro.

Nambaran-dRamatoa Volatiana, anisany niharan’ny fangoronan’entana fa vazaha  tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany no tompony ity tany mirefy 18 a sy trano iadivan’izy ireo ity. Noho ny fifanarahana tamin’izy ireo, nanofa izany ny ray aman-dreny lehibe ka notohizan’ny taranaka taty aoriana izany. Ny ankilany izay miara-mipetraka amin’izy ireo kosa tsy manana “contrat” amin’ireo vazaha  fa ny olona teo aloha nanaiky ny ipetrahany no manana.

Efa nisy ny fandroahana ireto tokantrano dimy ireto tamin’ny taona 2015 fa tsy tanteraka izany raha tsy izao.