Kely dia kely ny vehivavy manana fahasembanana no miasa eny amin’ny orinasa. Raha ny antontan’isa eo am-pelantanan’ny fikambanana AFHAM (Association des femmes handicapées de Madagascar) dia 14, 5 isan-jato ny vehivavy tra-pahasembana ao amin’ny AFHAM no miasa raha toa ka 500 ny mpikambana. Ny ambiny dia tsy an’asa na miasa fa amin’ny sehatra tsy ara-dalàna. Mandritra ny telo andro dia mikarakara atrikasa ho fampananan’asa ny vehivavy sembana ny AFHAM. Nanomboka omaly 16 aprily izany ary hifarana rahampitso 18 aprily 2019. Ao anatin’ny tetikasa momba ny fahavitan-tenan’ny vehivavy manana fahasembanana ho fampiroboroboana ny zo hiasa sy hanana asa mahavelona, vatsian’ny AWDF (African Women Developpement Fund) ity atrikasa ity, hoy ny filoha nasionalin’ny AFHAM, Razafinjato Fela. Nambarany ihany koa fa hanaovana ady sisika amin’ny mpandraharaha handrasain’izy ireo ny olona tra-pahasembanana.
Hifandimby hitafatafa sy hizara traikefa ary hikaroka izay mahasoa ireo vehivavy tra-pahasembanana ny CNAPS, ny “institut national de travail”, ny SIM (syndicat des industries de Madagascar), ny FIVMPAMA (ny fivondronan’ny mpandraharaha Malagasy), ny GFEM (Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar). Ny vokatra andrasana dia hisy ny fanaovan-tsonia amin’ny famaranana ny atrikasa izay iarahan’ny AFHAM sy ny vondron’ny mpandraharaha.
Lynda A.