Tonga namaly antson’ny AFO Sendikaly avokoa ireo mpitarika fikambanana isan-tsokajiny eto Madagasikara. Nisy manam-pahefana ihany koa nanatrika ilay fivoriambe teny amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina. Anjatony ny laharan’antso voarain’ny mpikarakara ny tolona ka androany ihany dia hisy indray ny fampiatsoana ireo mpitarika ireo, araka ny fanazavan’i Doudou.
Fanagadrana ireo tomponandraikitra ambony mpanao kolikoly no antony ny fitakian’ny AFO Sendikaly. Manery ny Filoham-pirenena mihitsy ity farany hanantanteraka izany.