Hitory any amin’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ny vovonana AFO Sendikaly vokatry ny fihoaram-pefy ataon’ny fanjakana. “Tsy ny eny anivon’ny sehatra lazaina fa “madinika” ihany no anjakan’ny kolikoly fa hatrany amin’ny Lapam-panjakana”, hoy Doudou Ratolojanahary, Administrateur Civil sady ao amin’ny AFO Sendikaly.
Nambarany fa tafahoatra loatra ny kolikoly ataon’ny mpitondra fanjakana. “Raha tsy hilaza fotsiny ny fanondranana andramena antsokosoko”. Manginy fotsiny ny fanaovana ankilabao ny mpiasam-panjakana, indrindra eo amin’ny lafiny karama. Mbola nanampy trotraka ihany koa ny fandraran’ny prefektiora an’ny Sendikan’ny mpiasa mahakasika ny fankalazana ny fetin’ny asa amin’ny alahady 01 May ho avy izao.
“Very hasina tanteraka ny mpiasa Malagasy”, hoy Florentin RAMAMONJISOA, AFO Sendikaly. Raha ny tokony ho izy “izahay no tokony isafidy ny toerana hanamarihanay ny fankalazana ny fetin’ny asa”. Nambarany fa tsy fanajana ny fanehoan-kevitra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny prefektiora .
Efa neken’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra ny fangatahana fahazoan-dalana nataon’ny Vovonan’ny Sendikan’ny mpiasa hanao hetsika ho fanamarihana ny 01 volana May. Kanjo tamin’ny ora farany, tsy amin’ny toerana mahazatra indray no hanaovana izany . Noho izany, eny amin’ny Kianja an’Alarobia indray no ifampotoana ireo fivondranan’ny sendikan’ny mpiasa.