Agence Ambinintsoa: 100.000 Ariary no azon’ny mpiasa naharitra heritaona.

Fanamby ataon’ny  “Agence Ambinintsoa” ny manolotra loka ho an’ireo mpiasa maharitra herintaona no mihoatra any amin’ny mpampiasa azy ireo.  Vola mitentina 100.000 Ariary, kojakojan-dakozia, vary, akoho amam-borona, kilalao ho an’ny zanakin’ny mpiasa no zaraina amin’izany  isaky ny farany taona. Tamin’ny taona 2015 teo izao dia an-jatony no naharitra tamin’ny asany ka nahazo ireo tombontsoa ireo.

Mampivondrona ireo mitady  asa amina sehatra maro toy ny asan-trano, fikirakirana ny lakozia, fiambenana na “Securite”…sy manome fahafaham-po ho an’ireo mikaroka mpiasa ity ivon-toerana ity. Manana  masoivoho  mahaleo-tena, “GS PRO Securite”,  eo amin’ny lafin’ny  fiambenana  ihany koa ny orinasa.

Araka ny fanazavan’i Felana Yasmine RAMAHAKOTROKA, Mpitantanana ny Agence, miezaka manampy ny mpiara-belona ity farany ka anisan’ny nanokafana ny “Agence Ambinintsoa Clean”. Asa fanadiovana natao ho an’ireo  mpiasa kilasy mody, anampiany ny karamy.

Efa aman’hetsiny izao ny mpiasa nivoaka tao amin’ny  “Agence Ambinintsoa” nandritra ny dimy taona nisiany izay. Eny Ambondrona, ampitany ny Fiangonana FJKM  no ahitana azy.

 Lynda A.