AGRICULTURE CLIMATO-INTELLIGENTE: Voka-pikarohana momba fambolena iatrehana ny fiovaovan’ny toetra andro.

Ny tsy fahamarinan-toeran’ny fotoam-pambolena, ny tsy fahampian’ny rotsakorana no tena olana sedrain’ny tantsaha. Ho famahana izany ny voka-pikarohana ampiharina amin’ny fambolena mifanaraka amin’ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetra andro ny “Agriculture climato-intelligente”.

Hampisehoana eny amin’ny Foibem-pirenena momba ny fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra (FOFIFA), Ampandrianomby  ny fomba rehetra iatrehana ny fiovaovan’ny toetra andro.

Ao anatin’izany ny fampiasana masom-boly  mifanaraka amin’izany toy ny vary, katsaka, vomanga, tsaramaso.

“Fomba famokarana maharitra, tsy manimba ny tontolo iainana ny fampiasana ny “Agriculture climato-intelligente”.

Manampy amin’ny fiahiana ny fanjarian-tsakafo ihany koa ity voka-pikarohana ity.