Tsy ampy ny ora telo nanatanterahana ny loabary an-dasy mitondra ny lohahevitra hoe: “Ahoana ny hanafoanana ny herisetra ara-nofo indrindra ny fanolanana?” nokarakarain’ny AIFM (Alliance Internationale des Femmes de France et Madagascar) ny 21 desambra 2020 tao amin’ny foibe FJKM Analakely. Nanampy tamin’ny fanatanterahana ny hetsika ny AIFM Frantsa sy ny Havatsa/UPEM
Natomboka tamin’ny velan-kevitra ny hetsika ka namelabelatra ny atao hoe herisetra, ny fampahafantarana ny lalàna momba izany sy ny tokony ataon’ireo niharan’ny herisetra Randrianaivo Didier, tomponandraikitra avy ao amin’ny Trano Aro Zo Andohatapenaka. Nanazava ny lafiny ara-tsaina: ny antony mahatonga ny olona iray manao herisetra ara-nofo, ny fiantraikany ara-tsaina amin’ilay niharan’ny fanolanana i Dr Maher, lehiben’ny centre hospitalier privé Saint Benoit Menni Imeritsiatosika. Ny fiantraikan’ny herisetra ara-nofo amin’ny lafiny ara-batana kosa no noresahan’i Dr Ramiandrisoa Ny Aina. Lohahevitra nentin’ny Mpitandrina Soavinarivo Thiburce talen’ny Radio fahazavana tamin’ny loabary indray ny fanabeazana ny ankizy, ny tanora hisorohana ny herisetra. Nitondra teny fampaherezana ihany koa ny Frère Jean Marie tomponandraikitra ao amin’ny centre hospitalier privé Saint Benoit Menni Imeritsiatosika. Namarana ny velan-kevitra tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny lalàna mamaritra ny herisetra sy ny sazy mihatra amin’ireo mpanao herisetra ara-nofo kosa i Solondraibe Andry Tiana, mpahay fiarahamonina sady mpahay lalàna.
Taorian’izay dia nisokatra ny adihevitra, ny fametrahana fanontaniana, ny fanomezana soso-kevitra. Anisany nanatrika ity loabary an-dasy ity ny avy ao amin’ny ministeran’ny fitsarana, ny ministeran’ny mponina, ny sampandraharahan’ny firenena mikambanan momba ny zon’ny olombelona, ny aumonerie fjkm, ny akany Avoko Ambohidratrimo ary ireo mpianatra taona voalohany amin’ny lalam-piofanana Malagasy eny amin’ny oniveriste Antananarivo. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana AIFM, Rasendralalao Hantanoro fa « savaran’ando ihany iny fa ny aoriana mbola hisy, hanantaterahana ny asa ho faritana avy amin’ny paikady nosintonina tamin’ny velan-kevitra sy fanehoan-kevitra voaray ».
Lynda A.