AIFM MADAGASIKARA: Nampihena ny fahaketrahana sy fahakivian’ireo ankizivavy ao amin’ny Akany Avoko

Nizara hafaliana ho an’ireo ankizizavy 57, taizana ao amin’ny Akany Avoko Ambohidratrimo ny AIFM(Alliance Internationale des Femmes de France et Madagascar) eto Madagasikara ny 23 desambra 2020. 20 taona ny lehibe indrindra amin’izy ireo. Ankizivavy 03 bevohoka noho ny herisetra ara-nofo  nihatra tamin’izy ireo. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny akany dia ny ankamaroan’ireo ankizivavy taizan’izy ireo dia niharan’ny herisetra ara-nofo avokoa.  Noho ny fetin’ny noely sy faran’ny taona dia nitondra ny anjara birikiny hampihenana ny fahaketrahana sy fahakivian’ireto ankizy tsy manan-kosarangotina ireto ny AIFM Madagasikara. Nitondra teny fampaherezana ho azy ireo ny filohan’ny AIFM Madagasikara, Rasendralalao Hantanoro tamin’ny alalan’ny fampianarana nifototra amin’ny maha Kristiana. Ankoatra ny vatsy ara-panahy dia nanolotra ranom-boankazo, biscuit, chocolat, pâte ho azy ireo ihany koa ity fikambanam-behivavy ity. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny fikambanana fa nanampy tamin’ny fanatontosana izao hetsika izao ny AIFM any Frantsa, ny orinasa Socobis ary ny fandraisana anjara nataon’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny AIFM Madagasikara.

Lynda A.