AMABLE ANDRÉ BENJAMIN: Filoha vaovao mitarika ny FIZAMAMI eto Toamasina.

Ho tolorana amin’ny fomba ofisialy ny 13 may 2017 ho avy izao ny birao vaovao hitantana ny FIZAMAMI. Ny Talem-paritry ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, AMABLE André Benjamin no filoha vaovao hitarika ny fikambanan’ny Zanak’i Mahajanga Mitambatra. Nambaran’ny Filoha an’ity Fikambanana ity fa mivondrona ao anatin’ny FIZAMAMI Toamasina avokoa ny ireo zanaky ny faritra Mahajanga izay mila ravinahitra eto Toamasina.
Lanonana roa sosona no atao ny 13 may satria amin’io fotoana io ihany no hanaovana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2017.
Matoa voafidy ho mpitarika ny fikambanana ity talem-paritry ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, efa natokisan’ny mpikambana ny fahaiza manaony. Anisany manampy ny hafa na ao anatiny na ivelan’ny fikambanana foana raha sedra tojo olana sy fahasarotana na ara-pitaovana izany na ara-bola fa indrindra ara-toro-hevitra.
Porofon’izany ny nanolorany vola mitentina 1.000.000 Ariary ny fikambanan’ny mpanao gazety eto Toamasina AJT ho vatsy handehanan’ny mpikambana any amin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahanan’ny asa fanaovan-gazety izay atao any Mahajanga ny 03 may 2017 ho avy izao.