61 miliara Ariary mahery ny fitambaran’ny tamberimbidy narotsakin’ny orinasa #Ambatovy ho an’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (faritra, kaominina) voakasikin’ny fitrandrahana nikela sy kobalta ho an’ny taona 2012 ka hatramin’ny 2018. 60 % io vola io dia ho an’ny kaominina 20 voakasikin’ny tetikasa, ny 30 % ho an’ny faritra roa (Alaotra Manogoro sy Atsinanana) ary ho an’ny faritan’i Toamasina ny 10 %. Nandidy ny tahirim-bolam-panjakana ao Toamasina, Ambatondrazaka sy Moramanga ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny toekarena sy ny vola ny taona 2020 hanatsahatra ny fandrotsahana ny tamberimbidy momba ny harena an-kibon’ny tany ho an’ny ireo sehatra mpisitraka izany sy ny famoahana izany ho an’ny taona 2020. Raha jerena ny tatitra navoakan’ny #ITIE (Initiative pour la transparence dans les industries extractives) dia tombanana hatrany amin’ny 15 miliara Ariary no voangeja ao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana, araka ny fanazavan’ny fiaraisamonim-pirenena momba ny fitrandrana harena an-kibon’ny tany (Oscie) ny 22 jolay 2022. Raha ny loharanombaovao dia ahiahy amin’ny fanodikodinam-bolam-panjakana no antony fampitsaharana. Nambaran’ny Sekretera mpanatanterakin’ny Oscie, Rabenandrasana Clément ny volana jolay 2022 fa tsy tokony ny kaominina no voasazy fa izay nanodikodim-bola. Nilaza ny teo anivon’ny ministeran’ny toekarena sy ny vola fa efa nalefa anivon’ny fiadidian’ny Repoblika ny fangatahana famerenana ny fandrotsahana ny ireo tamberimbidy narotsakin’ny Ambatovy. Efa hifarana ny taona 2022, mbola miato hatrany izany. Ho an’Ambatovy manokana dia manana tetikasa antsoina hoe “Tsara Tantana” ny orinasa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra amin’ny fitantanana ireo tamberimbidy eny anivon’ny kaominina.
Lynda A.