Vao mainka mitombo ireo voatazona am-ponja vonjimaika eto Madagasikara taorian’ny enim-bolana nanaovan’ny Amnesty International tatitra momba ireo voka-dratsy ateraky ny fitazomana am-ponja mitarazoka. Niakatra hatrany ny tarehimarika ho an’ny taona 2019. Tafakatra 14.067 izany tamin’ity taona 2019 ity raha toa ka 11.703 tamin’ny volana oktobra 2018, raha ny fanambaran’ny talem-paritry ny Amnesty International ho an’ny Afrika Atsimo, Deprose Muchena nandritra ny fanamarihana ny andron’ny afrikanina ho an’ny fitazomana am-ponja vonjimaika, ny 25 aprily 2019.
Ankoatra izany dia toa zary mamita sazy mitovy amin’ireo efa voatsara ireo voatazona am-ponja vonjimaika. Ao no nohahiahiana ho nangalatra akoho ka voatazona am-ponja vonjimaika efa amam-bolana maro miandry ny fitsarana azy. Ny lalàm-panorenana anefa milaza fa tranga manokana no hitazomana am-ponja vonjimaika. Raha ny salan’isa navoakan’ny Amnesty Interanational dia 55% ny lehilahy, 69 % ny vehivavy, 69 % ny ankizilahy ary 72 % ny ankizivavy miandry ny fitsarana azy tamin’ny volana febroary 2019. Vokatr’izany dia nitombo isan’ny mponina ao anaty fonja. Hany ka lasa ara-dalàna ny tsy fahampian’ny fahadiovana sy fidiovana ary ny sakafo, ny tsy fahazoana fitsaboana araka ny tokony ho izy. Sady tsy voafehy ny fanjakana ny fanampiana ny vahoaka Malagasy hiala amin’ny fahantrana no mbola tsy hainy ihany koa ny miahy ireo voafonja. Inona marina izany no tena andraikitr’ity fitondram-panjakana ity?
Lynda A.