Efa manomboka voafaritra ny fitambaran’ireo foto-drafitra’asa simba sy ny fambolena lasibatry ny rivo-doza mahery ENAWO raha ho an’ny faritra Analajirofo. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny loza voajanahary sy ny ateraky izany, BNGRC dia fantatra fa ny 90%n-ny foto-drafitr’asa toy ny tranom-panjakana, tranon’olon-tsotra no ravan’ity rivo-doza ity. Nambaran’ny lehiben’ny Faritra, Jacques RAMAROSON ihany koa fa ireo dobon-drano avokoa ny tanimbary. Taraiky ny fambolem-bary talohan’ny fiavian’ny rivo-doza vokatry ny tsy fahampian’ny orana. Indrisy, avy noketsaina indray dia sendran’ny ranobe nateraky ny rivo-doza. Mampalahelo fa dia lasan’ny rano avokoa ireo vao novolena. Ankoatra izany, tsy ny rano ihany no namotika ny fambolen’ny tantsaha fa ny fotaka sy ny fasika. Nisy ny fihotsahan’ny tendrombohitra ka nivarina tany amin’ny tanim-bary sy tanim-boly avokoa izany.
Manana olana ara-tsakafo noho izany ny mponina any an-toerana. Efa miezaka ny tomponandraikitra isan-tsokajiny eny anivon’ny faritra mitady ny fomba rehetra hamahana izany olana izany. Eo ny fitadiavam-piarahamiasa amin’ireo mpiara-miombona antoka. Na dia eo aza izany, mangataka hatrany ny fanomezan-tanana avy any amin’ny fitondram-panjakana ny faritra Analajirofo.