ANALAJIROFO: Potika avokoa ny 90%.

Efa manomboka voafaritra ny fitambaran’ireo  foto-drafitra’asa simba  sy  ny fambolena  lasibatry ny rivo-doza mahery ENAWO raha ho an’ny faritra Analajirofo. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny sampandraharaha misahana   ny fitantanana ny loza voajanahary sy ny ateraky izany, BNGRC  dia fantatra fa ny 90%n-ny foto-drafitr’asa toy ny tranom-panjakana, tranon’olon-tsotra no ravan’ity rivo-doza ity. Nambaran’ny lehiben’ny Faritra, Jacques RAMAROSON ihany koa fa ireo dobon-drano avokoa ny tanimbary. Taraiky ny fambolem-bary talohan’ny fiavian’ny rivo-doza vokatry ny tsy fahampian’ny orana. Indrisy, avy noketsaina indray dia sendran’ny ranobe nateraky ny rivo-doza. Mampalahelo fa  dia lasan’ny rano avokoa ireo vao novolena. Ankoatra izany, tsy ny rano ihany no namotika ny fambolen’ny tantsaha fa ny fotaka sy ny fasika. Nisy ny fihotsahan’ny  tendrombohitra ka nivarina tany amin’ny tanim-bary sy tanim-boly avokoa izany.

 Manana olana ara-tsakafo noho izany ny mponina any an-toerana. Efa miezaka ny tomponandraikitra isan-tsokajiny  eny anivon’ny faritra mitady ny fomba rehetra hamahana izany olana izany. Eo ny fitadiavam-piarahamiasa amin’ireo mpiara-miombona antoka. Na dia eo aza izany, mangataka hatrany  ny fanomezan-tanana  avy any amin’ny fitondram-panjakana ny faritra Analajirofo.