“Tsy mandeha amina endrika politika ny fitakiana”. Hanatanteraka kongresim-paritra any Farafangana ny Tambazotra nasionaly miaro ny zon’ny mpanjifa (RNDC ) ny 15 martsa 2022 sady hanamarika ny andro manerantany ho an’ny zon’ny mpanjifa. “Efa im-polo nankalaza ny andro manerantany ho an’ny zon’ny mpanjifa ny RNDC. Nisy teto Antananarivo ary nisy tany amin’ny faritra satria tsy vitan’ny eto Antananarivo ihany no misy olana fa mila midina ifotony mijery ny mararin’ny olona”, hoy Rabetsara Lita na Ralita, Filoha Nasionalin’ny RNDC. Hihainoana ny olana hitambaran’ny mpanjifa amin’ny resaka fanjifana sy ny olana manokana any amin’ny faritra amin’ny fanjifana no hatao mandritra ny kongresy. Ho atambatra ny fehin-kevitra mivoaka eo ary ho entina amin’ny kongresy nasionaly mba hirosoana amin’ny dingana manaraka tokony atao, araka ny fanazavany.
Hanao sit-in
Miisa valo (08) ny zon’ny mpanjifa: zo misitraka ny zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro, zo ho arovana, zo hohenoina, zo hahafantatra ny zava-misy, zo hiaina ao anatin’ny madio fa tsy anaty fako, zo hisitraka fitsarana tsy mitanila, honerana ny zavatra tsy mety atao amin’ny mpanjifa. Betsaka anefa ny mpanjifa no tsy mahafantatra akory ireo zony ireo, hoy Ralita ka manana adidy amin’izany ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny tsirairay fa tsy variana amin’ny fitadiavana fotsiny. Araka ny fanazavan’ny Filoha Nasionalin’ny RNDC hatrany fa andraikitry ny fanjakana no manantanteraka ireo zo ireo. Nambarany fa takiana ny zo fa tsy hangatahina. “Ny fomba fitakiana dia tsy mandeha amina endrika politika, toerana misy tantara politika. Ohatra, hanao sit-in manoloana ny banky, tobin-tsolika, biraom-panjakana na oinasam-panjakana voakasiky ny fitakiana dia sit-in no atao eo fa tsy hoe: mialà Andry Rajoelina na ovao ny governemanta. Izay tonga eo mila manaiky an’ilay zavatra takiana fa tsy hoe: tonga eo i anona dia tsy takiana.Tokony takiana foana na iza mitondra eo”, hoy izy. Raha ny zava-misy tao anatin’ny telo (03) taona nitondran’ny Filoha Rajoelina Andry dia tsy mitsaha-midangana ny vidim-piainana. Santionany amin’izany ny vidim-bary, efa tafiakatra 900 Ariary ny kapoaka nanomboka tamin’ity taona 2022 ity.
Lynda A.