ANTENIMIERANDOHOLONA: RAKOTOMANANA Honoré no Filohany.

Notontosaina androany teny amin’ny Lapa Anosy ny fivoriana voalohan’ireo Loholona vaovao. Fifidianana izay ho Filoha hitarika ny Antenimierandoholona , fandrafetana ny Birao maharitra ary famolavolana ny fitsipika anatiny mifehy azy ireo no antom-pisian’izany. Manomboka izao, RAKOTOMANANA Honoré, kandida natolotry ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) no Filohan’ity andrim-panjakana ity. Izy irery rahateo no kandida nirotsaka tamin’io fifidianana io. Miisa 63 ireo loholona ka ny 62 tamin’ireo no nandray anjara. Vato 60 no azony fa 2 kosa dia vato fotsy.

Mandany lalana no tena andraikitry ny Antenimierandoholona. Fa anisan’ny solontenan’ny vondrom-bahoaka isam-paritra amin’ny fitsinjaram-pahefana ihany koa ity farany. Araka ny fanazavan’ny Filoha vaovao dia mandray anjara amin’ny fampandrosoana amin’ny lafiny ara-toekarena ny ara-tsosialy ihany koa ry zareo amin’ny alalan’ny fanampiana ny governemanta.

Marihina fa maharitra dimy taona fehim-potoam-piasan’izy ireo.

Lynda A.