Anisan’ny mpanolotsain’ny governemanta eo amin’ny sehatry ny toe-karena sy sosialy ny loholona. Tsy tafiditra loatra ao anatin’ny andraikitry ireo ny lafiny politika, araka ny fanazavana azo tamin’ny loholona iray eto amin’ny faritra Antananarivo.
Mitondra hevitra hampandrosoana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no tena nandraikitra lehibe miandry azy ireo. Manoloana izany, efa mandeha ny fifampiresahana mahakasika ny famatsiam-bola omen’ny fanjakana ireo kaominina manerana an’i Madagasikara.
Marihina fa notolorana samboady , ny zoma lasa teo, ireo loholona miisa 16 eto amin’ny faritra Antananarivo.