ANTILY MPIANJORIA: Ho tombom-panabeazana ho an’ny mpanabe ny lasy “anjoria bevata”.

Ho fanatsarana ny fahaizan’ny mpanabe ao amin’ny skoto antilin’i Madagasikara, sampana mpianjoria ny lasy nasionaly  izay  ho tanterahina ny 09 ka hatramin’ny 13 aogositra 2017, any Ambohindralambo, Imeritsiatosika. Mba hananan’ny tomponandraikitra tombom-panabeazana mifanaraka amin’ny filan’ireo ankizy no tanjona amin’ity lasy “Anjoria bevata” ity, araka ny fanazavan’ny filohan’ny  sampana mpianjoria nasionaly, Ramilijaona Jean Luc Edgar (Lemaitso).

Mandray anjara amin’izany avokoa ny mpianjoria rehetra manerana diosezy 22 eto Madagasikara.  Ao anatin’izany ny diosezy Antananarivo. Noho izany, ho avy hanatevina ny lasy ireo mpianjoria amin’ny faritra Isotry.

Zazalahy manodidina ny 12 ka hatramin’ny 14 taona ny mpikambana ao anatin’ny antily, sampana mpianjoria. Vinavinaina ho 3000 no ho tonga amin’io lasy io. Manoloana izany, mangataka tolo-tanana ity sampana  ho fampanjariana ny lasin’izy ireo.