Manoloana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, nizara fanomezana ho an’ny fikambanam- behivavy miisa 13 manerana ny boriborin-tany enina eto Antananarivo ny Antoko HVM na Hery Vaovao ho an’i Madagasikara sy ny vadin’ny Filoham-pirenena. Vary amin’ny gony miisa 200, lamba fitafy (friperie), vola… no natolony tamin’izany.
Anisan’ny nahazo tombony tamin’izany ny fikambanana Ambalambahoaka, Marovahoaka, fikambanan’ny vehivavy sembana…Nosinganina manokana ihany koa ireo vehivavy iharan’ny herisetra.
“Tsy mijanona hatreo ny fanampian’ny antoko an’ireo fikambanana ireo fa mbola mitohy hatrany”, hoy Claudia RANDRIANIAINASOA, Fikambanana Ambalambahoaka. Hisy solontena tsirairay alaina amin’ireo fikambanana ireo hiofana momban’ny zaitra ao amin’ny ECCOVA. “Ho fanampiana azy ireo hanana traikefa idirana amin’ny sehatry ny asa no tanjona amin’izany”, hoy izy.
Lynda A.