Na dia efa saika niditra avokoa aza ny mpianatra, tsy nahasakana ny antoko manohana ny fitondrana ankehitriny tamin’ny fizarana fitaovam-pianarana izany. Nanolotra fitaovan’ny mpianatra ho an’ireo ankizy sahirana ao amin’ireo boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra ity antoko HVM ity. Miisa dimy arivo teo ny zanaky ny mpikambana nahazo tombontsoa tamin’izany.
Hitohy hatrany any amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara ny hetsika, araka ny fanazavan’ny Loholona Mananjara ANDRIAMBOLOLONA.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.