Miezaka mampivondrona ireo antoko politika na fikambanana ny HVM, antoko manohana ny fitondrana ankehitriny manoloana ny fitakian’ny antokoa politika hafa ny fialan’ny filoham-pirenena.
Nivondrona avokoa mantsy ireo antoko politika sy fikambanana manohana ny fitondrana toy ny politika MDM, Leader FANILO… ary nanao fanambarana fa tokony hiandry fifidianana amin’ny 2018 fa tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana. Notondroin’ireo fa manakorontana ireo olon’ny fitondrana tetezamita teo aloha ka manohitra izany izy ireo.
Nambaran’ny Filoha Nasionalin’ny antoko HVM mihitsy fa maro an’isa ry zareo satria 95% ireo antoko politika, fikambanana no manohana ny fitondrana ankehitriny izay nolazainy fa lanim-bahoaka tokoa. Noho izany, sakana ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fanonganam-panjakana.
Hitondra fampandrosoana ho an’ity firenena ity tokoa ve ny fijanonan’ny filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA? Hatramin’izay nitondrany, efa mba nisy tokoa ve ny fampandrosoana tena niatraika tany amin’ny vahoaka?