ANTOKO MARINA: Handray anjara amin’ny dinika.

Handray anjara amin’ny dinika izay misy ny Antoko MARINA (Manapa-kevitra Iombonana ho an’ny fampandrosoana). Mahatsapa ny  antoko fa mahantra olo-marina, mahantra olom-pirenena sy mpanao politika ary mpitondra manam-panahy sy fahendrena hanasoa ny mpiara-belona i Madagasikara. Noho izany, ny fifanatonana eo amin’ny samy Malagasy no vahaolana amin’izany.

Hatrany amin’ny Repoblika voalohany ka hatramin’izao, ny fifidianana dia tsy tena nahafahan’ny vahoaka Malagasy  nanao fanovana tiany natao. Izay eo amin’ny fitondrana hatrany no mahazo tombony amin’ny fifidianana satria  Andrimpanjakana sy rafitra azony baikoina sy lalaovina no nikarakara sy nitsara izany. Ankehitriny, mahatsapa ny antoko politika MARINA  fa mila fanovana lalim-paka ny firenena Malagasy mialohan’ny fifidianana manaraka.