Horonantsary:
“Tsy misy mihitsy ny fampandrosoana ny lafiny maha olona raha mampitahy ny zavamisy ankehitriny”, hoy i Raharimanana Mamy, Filohan’ny antoko politika Madagasikara Endrika Vanona (MAEVA). Nanao fanambarana ny antoko fa tsy maintsy mijoro sy miteny fa tsy mety intsony ny fitantanana an’i Madagasikara. “Ahoana no ilazana fa mandroso nefa asaina milahatra rano hatramin’ny firy alina ny vahoaka, ny jiro tapaka lava? Mikaikaika ny vahoaka, simba ny fiveloman’ny mpiasa tena ”, hoy izy. Miantso ny mpitondra ny Filohan’ny antoko MAEVA hijery vahaolana faran’izay haingana momba ny jiro sy rano, hanome daty sy vahaolana maharitra. “Mino sy manantena aho fa raha voavaha ny olan’ny jiro sy rano eto Madagasikara dia misy ampahany amin’ny fampandrosoana ny maha olona. Nambarany fa niforona ny taona 2007 ny antoko ary foto-kevitra telo no ijoroany, ao anatin’izany ny fijerena ny maha olona, ny tontolo manodidina ny maha olona ary ny lafiny lalàna. Nilaza izy fa tsy maintsy mijoro sy miteny manomboka izao manoloana ny fasaharinam-bahoaka.
Lynda A.