Ho tohiny ny fangatahana tsy nahazoam-baliny nataon’ny AFP na Antso ho Fanavotam-Pirenena dia hidiana an-dalam-be hitarika ny vahoaka izy ireo amin’ny zoma faha-19 Aogositra 2016. “Fahapotehina sy famonoana ny mpiray tanindrazana ary fivarotan-tanindrazana no miseho ankehitriny. Noho izany, “tsy maintsy faranana faran’izay haingana izao fitondrana izao”. Rehefa tsy nihaino ny fitondram-panjakana dia ny “fampiasana ny fahefam-bahoaka” araka ny lalampanorenana no vahaolana hialana amin’izao fahantrana izao, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny AFP, Razafimanantany Faniry. Ny hetsi-bahoaka no ahafahana manaporofo fa mandia fahantrana lalina ny Malagasy, miaro ny tanindrazana manoloana ny fanjakazakan’ny vahiny ny harem-pirenena, mamonogotra ny herin’ny maizina mangeja an’i Madagasikara ary manavotra ny firenena sy mamerina ny hasin’ny tany. Ireo foto-kevitra efatra lehibe ireo no antony hanatanterahina io fidinana an-dalam-be amin’ny 19 Aogositra io.
Noho izany, miantso ny vahoaka Malagasy rehetra ny AFP ho tonga maro eny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena Analakely izay manomboka amin’ny 09 ora sasany maraina.
Jean Marie Rjm Raharison liked this on Facebook.
Espérant Arthur Randrianaivo liked this on Facebook.
Joro Parson liked this on Facebook.
Georges Raoul liked this on Facebook.
Tsiry Rakutu liked this on Facebook.
Laticah Randriamananjara liked this on Facebook.
HntRa TLzna Yvette liked this on Facebook.