ARETI-MASO: Mitombo ny isan’ny marary maso manaraka fitsaboana, tsy ampy ny dokotera mpitsabo maso

Tsikaritra fa miha mitombo ny olona manana olana ara-pahitana manatona mpitsabo. Ho an’ny Institut de la Vision de Madagascar (IVM) Ambatomaro dia nitombo avo roa heny ny marary raisiny isam-bolana. « Tamin’ny 10 taona lasa dia 1000 isam-bolana ny marary raisinay. Amin’izao faha-20 taona izao anefa dia 2000 isam-bolana farafahakeliny. Misy fotoana tafiakatra 2.300”, hoy i Dr Solofo Georges, Lehiben’ny toeram-pitsaboana maso IVM. Nambarany fa tsy ampy ny mpitsabo maso eto Madagasikara, 50 fotsiny ny isan’izy ireo.  Lohalaharana amin’ny antony mitarika fahajambana manerantany, anisan’izany i Madagasikara, ny “cataracte”. “Mbola asa be no miandry ny dokotera mpitsabo maso satria raha tsy mahavita mandidy olona telo [voan’ny cataracte]  ao anatin’ny mponina 1000 ny toeram-pitsaboana maso dia misy olona jamba ao anatin’ny fiarahamonina. Tena ilaina ny fanokafana ivon-toerana mampiofana mpitsabo maso sy fanitarana ny asa”, hoy izy. Manao fandidiana momba ny areti-maso ihany koa ny IVM ka 100 isam-bolana no marary misitraka izany. “Raha an’arivony ny olona didiana ato dia ny 90% amin’ireo voan’ny cataracte na areti-maso miteraka fahajambana azo sitranina. Betsaka ihany koa eto Madgasikara ny olona voan’ny glucaume. Aretina any amin’ny hozatry ny maso izy io. Miha maty tsikelikely ny selan’ny maso ary miteraka fahajambana tsy misy fanafany. Fandidiana faharoa ahitana olona betsaka io aretina io. Tsy miha mahita izy fa fanampiana azy amin’izay tavela ao no atao”. Nanamafy ihany koa i  Dr Solofo Georges fa anisany mahatonga olana ara-pahitana ny ny fampiasana maharitra ny fitaovana nomerika, toy ny “écran” misy “lumière bleue”. Ahitana izany ny finday, ny vata fahatilavitra, ny solosaina… Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny IVM sy fanitarana ny asa dia hanangana ivon-toeram-piofanana hamoaka  mpitsabo maso matihanina ny IVM. Eny Soamanandrariny no hanaovana izany. Napetraka ny 20 jona 2024 ny vato fototra voalohany. Nanatrika izany ny dokotera James Davidians – Filohan’ny Adventist International Eye Services (AIES), miaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy avy any Etazonia, ny Pastora Solofo Georges Jean Mesmert – Filohan’ny Fivondronambe ny federasiona advantista aty amin’ny ranomasimbe Indiana, sy ny Pastora Andriamparatiana Fanera – Filohan’ny Federasiona advantista Madagasikara afovoany. Marihana fa eo ambany fiahian’ny ONG AIES ny IVM.

Lynda A.