Maimaim-poana ny fandidiana. An’arivony ireo vehivavy malagasy mijaly sy mitoka-monina ary voahilikiliky ny fiarahamonina noho aretina mamany lava (fistule obstétricale). Raha ny vinavina dia vehivavy 5.000 isan-taona no tratran’io faharovitan’ny tatavia eo am-piterahana io. 1000 amin’ireo ihany anefa no voaray an-tanana na mahazo fandidiana isan-taona. Any amin’ny faritra Atsinanana no tena ahitana taha ambony amin’izany. Vehivavy latsaky ny 18 taona no tena voa. Tanjona ny hampihenana ny isan’ny vehivavy tratry ny aretina mamany lava ho 50 % ho an’ny taona 2025 ary ho foanana tanteraka izany hatramin’ny taona 2030. Ao anatin’ny iraka ataon’ny tahirim-bolan’ny firenena mikambana misahana ny mponina (UNFPA) ny fampiroboroboana ny fiterahana lavitry ny loza. Nanomboka ny taona 2011, mikarakara hetsika ho fisorohana sy famongorana ny aretina mamany lava, azo avy amin’ny fiterahana ny tahirim-bolan’ny firenena mikambana misahana ny mponina (UNFPA). Misy ny hetsika fandidiana maimaim-poana, in-droa isan-taona. Miara-miasa aminy ny UNFPA ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, sy ireo fikambanana na ivon-toerana misehatra amin’ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy miaina amin’ny aretina mamany lava (Opération Fistula, Ordre de Malte, SALFA, ASOS) amin’ny fanantaterahana izany. Ho an’ny taona 2024, efa manomboka androany 27 mey 2024 ny fandidiana maimaim-poana ao amin’ny Pavillon Sainte Fleur ao amin’ny hopitaly HJRA Anosy. Ny volana jona kosa no hanomboka ny any Fianarantsoa, ny volana aogositra ny any Ambatondrazaka ary oktobra any Ambovombe.
Tolotra azon’ireo marary mandritra ny hetsika ny fanafody handidiana azy, ny sakafo ho azy sy ny mpanaraka azy mandritra fitsaboana, ny fitaterana azy ireo any amin’ny toerana niaviany mankany amin’ny toeram-pitsaboana sy ny fodiana, ny kojakoja ilaina toy ny koveta, lambahoany, lambam-pandriana, savony… Mandritra ny 21 andro ny marary no mijanona any amin’ny toeram-pitsaboana aorian’ny fandidiana. Mitentina 1.966.000 Ariary sarany fitsaboana marary iray raha atambatra saingy natao maimaim-poana izany. Anisany manohana ara-bola amin’ny hetsika fandidiana ny UNFPA. Efa maro ireo hopitaly na toeram-pitsaboana any amin’ny faritra manana toeram- pandidiana momba ny aretina mamany lava toy ny any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana (CHRR Farafangana); Androy (CHRR Ambovombe, CHRD Tsihombe, CHRD Ampanihy), Vatovavy (CHRR Mananjary, CHRD Ifanadiana), Fitovinany, Atsimo Andrefana ( CHU Tanambao, CHU Mitsinjo Betanimena), Atsinanana( CHU Analakinina), Analamanga ( HJRA Anosy, Pavillon Saint Fleur, CHRD Mahitsy), SAVA (CHRR Sambava), Bongolava (CHRD Tsiroanomandidy). Mpitsabo mpandidy 25 no efa voafona momba fandidiana ity aretina ity. Tafiakatra 11.676 ny olona voadidy teo anelanelan’ny taona 2010 – 2023. Ho an’ny taona 2023, vehivavy miisa 1630 no nahazo fandidiana maimaim-poana.
Fisehony sy fisorohana
Aretina azo noho ny fihetsehan-jaza maharitra na fahasarotan’ny fiterahana na fahataran’ny fandraisana an-tanana ny reny bevohoka aorian’ny fihetsehan-jaza na tsy fanatonana mpitsabo niofana momba ny fampiterahana na toeram-pitsaboana ny “fistule obstétricale”. Anisany mahatonga azy ity ihany koa ny fitondrana vohoka aloha loatra na mbola kely loatra ilay vehivavy dia efa mitondra vohoka(latsaky ny 18 taona) ka tsy mbola vonona handray zaza ny taova, tery ny lalan-jaza na na tery ny taola-maoja. Te hamany lava na mandeha ho azy ny amany ary tsy tana mihitsy na tsy voatazony mihitsy, miaina fanaintanana sy fangirifiriana rehefa mamany na misy fikorontanana eo amin’ny fitaovam-pananahana no fomba fisehoan’ny aretina aorian’ny fiterahana. Azo sorohana sy azo tsaboina tsara anefa ity aretina ity. Fomba voalohany hisorohana izany ny fanatonana mpitsabo voaofana toy ny rasazy na dokotera mandritra ny fitondrana vohoka sy mandritra fiterahana. Miaro ny vehivavy tsy ho tratry ny aretina mamany lava ihany koa ny fahazoan’izy ireo fitsaboana ara-dalàna sy tsara kalitao aloha sy mandritra ny fiterahana. Mandritra ny fitondrana vohoka, mila manara-maso akaiky momba ny taola-maoja ny mpitsabo, na amin’ny alalan’ny échographie na mampiasa fitaovana fandrefesana azy. Manentana ny tanora ihany koa ireo mpisehatra voakasik’izany mba hanao fanabeazana aizaina mba tsy ho bevohoka aloha loatra na tsy hiditra amin’ny firaisana aloha loatra.
Lynda A.