Anisany mahatonga ny fahasimban’ny voa ny tosi-drà miakatra, ny diabeta. Araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina dia mitàna anjara asa lehibe amin’ny fanadiovana ny rà ny voa. Mandefa ny loto any amin’ny hamany izy ary mizara ny singa ilain’ny vatana. Mamorona hery mpanentana hampirindra ara-dalàna ny tosi-drà ihany koa. Mampikorontana ny fiasan’ny voa anefa ny fiakaran’ny tosi-drà, ny aretina diabeta.
Rehefa tsy mamokatra hery mpanentana “insuline” intsony ny sarak’aty dia miakatra ny tahan’ny siramamy ao amin’ny vatan’olombelona iray. Tratran’ny diabeta ny olona raha izay no mitranga izany. Mamotika ny singa mpanadio ny rà (filtre) ao amin’ny voa ny tahan’ny siramamy miakatra (hypoglycémie). Misy sokajy roa ny diabeta. Ny iray mpahazo ny zaza sy ny tanora. Ny iray kosa mpahazo ireo olon-dehibe efa mahazohazo taona. Ny fihinanana sakafo be siramamy toy ny mofomamy, ny tsy fanaovana fampiasàm-batana no mahatonga ny diabeta. Manaranaka ihany koa ny diabeta.
Fisehony ety ivelany
Ny fanaovana fitiliana no tena ahafantarana fa simba ny voa (insuffisance rénale). Misy soritra hamantarana azy ihany ety ivelany: lasa semposempotra, mivontovonto ny faritry ny vatana (binabina), mavesatra ny valahana…, hoy ny dokotera Fidy. Fomba hisorohana ny fahasimban’ny voa ny fisotroana rano iray litatra isan’andro ho an’ny olona milanja 40 kilao. Mitombo io fatra io rehefa mitombo ny lanjan’ny olona, ny fampiasàm-batana mandritra ny 30 minitra isan’andro, ny fihinana sakafo voalanjalanja, ny fitsaharana amin’ny fifohana sigara, fisotroana toaka…Ny fanaovana “dyalise” isan-kerinandro ny vahaolana kosa raha toa ka tsy miasa intsony ny voa. Io fitsaboana io indray no misolo ny anjaran-toeran’ny voa.
Lynda A.