“Fihaonana antsokosoko no nataon’ireo mpanao gazety vitsivitsy sy ny Filoham-pirenena satria tsy nisy ny fifampierana tamin’ny mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy na dia hita teny Iavoloha aza ny Filohan’ny Holafitra”, hoy ireo filoha lefitra sasany. Nambaran’i Didi RATSIMBAZAFY, Filoha lefitry ny OJM eto Antananarivo, fa tsy nahasolo tena ny mpanao gazety miisa 1253, manana karatra matihanina ireo andiana mpanao gazety nihaona tamin’i Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Noho izany, fampisaraham-bazana ireny tranga ireny.
Etsy ankilany, ny lalana ny serasera no votoatiny ny fihaonana. Be dia be ny mpiantsehatra ao anatin’izany kanefa azo isaina amin’ny ratsa-tanana no teny amin’ny Lapam-panjakana.